«Miss Madagascar 2026 »: hatao ny 19 desambra izao ny famaranana

Efa maromaro ny faritra manana « Miss 2026 ». Hiakatra aty Antananarivo avokoa izy ireo, hiady ny anaram-boninahitra ka hisolo tena an’i Madagasikara any ivelany.

Vaovao lehibe avy amin’ ny Comité Miss Mada­gascar na ny CMM. Hatao eto Antananarivo, ny 19 desambra, ny famaranana ny fifaninanana « Miss Madaga­scar 2026 ». Io izany ny fotoan-dehibe hahafantarana izay tovovavy hisalotra ny anaram-boninahitra, ka hisolo tena an’i Madagasikara amin’ny « Miss Monde», andiany faha-74, hatao any Tanzanie amin’ny taona 2027.
Efa miroso lalindalina amin’ny fikarakarana ny CMM sy ireo mpiara-miasa aminy. Hisy trano fivahinianana lehibe iray handray an-tanana ireo tovovavy rehetra avy any amin’ny faritra, ho avy aty. Efa fantatra koa fa hosahanin’ny Mada­zone Logisitics ny fitateranana ana habaka an’izay hisalotra ny anaram-boninahitra, amin’ireo fivoahana tsy maintsy hataony any ivelany.
Hatreto, faritra 14 amin’ireo 24 misy no fantatra fa efa manana solontena amin’io famaranana lehibe io. Ma­nampy azy ireo ny « Miss Diaspora », izay misolo tena ireo tovovavy malagasy rehetra monina ivelan’i Madaga­sikara. Mbola an-dalana mamita ny fifaninanana any ifotony kosa ireo faritra hafa, satria misy fandraisana antontan-taratasy vaovao manomboka ny 17 septambra.
« Natao izany mba hahafahan’ireo tovovavy avy any amin’ny faritra rehetra manandratra avo ny fihaviany, ny kolontsainy ary ny tantarany. Efa niroso amin’ ny fametrahana sampana isam-paritra ny CM­M, mba hahatonga ny fifaninanana ho tena fitaratra ho an’ny fahasamihafana, izay harena mila trandrahana ha­trany », hoy i Christelle Rako­toniaina, filohan’ny CMM.

Zo ny Aina

Partager sur: