Fiahiana ny mpianatra : hisy toeram-pitsaboana eny anivon’ny sekoly

Apetraka eny anivon’ny sekoly ny toerana manokana handraisana ireo mpianatra tojo tsy fahasalamana an-tsekoly. Amin’ny alalan’ny ofisy nasionaly misahana ny fisorohana ny voina an-tsekoly (Onapascoma) no hahafahana manatanteraka izany.
Anisan’ireo fototry ny tsy fahombiazan’ny mpianatra ny olana ara-pahasalamana, ka izany indrindra no nametrahan’ny minisiteran’ny Fa­nabeazam-pirenena ny tetikasa « Tsinjo fahasalamana », izay sahanin’ny Onapascoma. Misy, araka izany, ny fametrahana toeram-pitsaboana handraisana an-tanana ny fikarakarana ny fahasalaman’ny mpianatra eny anivon’ny sekoly.
Dokotera miisa 7 sy mpi­tsabo mpanampy 20 no no­raisina ho fanombohana ny tetikasa. Hiatrika fiofanana izy ireo mikasika ny fitantanana ny fanafody sy ho fanamafisana ny fahaiza-manaony, ny 20 febroary hatramin’ny 03 marsa 2023.
Tanjona ny hametrahana ny toeram-pitsaboana manerana ny fari-piadidiam-pampianarana miisa 114 manerana ny faritra 23 eto Madaga­sikara amin’ity taona 2023 ity. Tsy maintsy hiampy ny isan’ireo mpitsabo horaisina hanatanteraka ny asa.
Ny latsakemboka 200 Ar fandrotsaka isan-taona no entina hanodinana ny tetikasa «Tsinjo fahasalamana» na eo amin’ny fampitaovana na eo amin’ny famatsiana fanafody.
Antoka ho an’ny fahasalaman’ny mpianatra eny anivon’ny sekoly, araka izany, ny fisian’izany toerana ma­nokana ho an’ny fahasalamana izany.

Tatiana A

Partager sur: