Rivodoza Freddy : tsy nisy fiantraikany tao Toamasina

Ho an’ i Toamasina renivohitra, tsy nisy fiantraikany na kely aza ny fandalovan’ny rivodoza Freddy, nambara fa mafy sy matanjaka. Na­moizana ain’ olona iray kosa izany tao amin’ny distrikan’ i Mahanoro sy nitondra ranobe ho an’ny kaominina ambanivohitra mandrafitra azy. Ho an’ i Toamasina ma­nokana, famantarana ataon’ny mponina matetika ny fa­naraha-maso ny fipetrak’ireo sambo miantsona ao amin’ny seranan-tsambo. Rehefa fantatra ho mafy sy hiditra eto Toa­masina ny rivodoza, misintaka manalavitra ny seranana ireo sambo miantsona rehetra eo amin’ny seranan-tsambo. Nandritra ny fandalovan’i Freddy, tsy nisy na iray aza sambo niala ny fiantsonana teo amin’ny seranana.

Sajo

Partager sur: