Basikety – “FIBA 3 X 3”, U23 World Cup: Indroa resy ny Ankoay

Faharesena indroa no nisantaran’ny Ankoay ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja basikety lalaovina olona telo, sokajy U23, vehivavy. Faharesena tsy niady ny iray tamin’izany. Noho ny tsy fahatongavana ara-potoana ny anton’izany. Mbola hiatrika lalao roa hafa izy ireo, rahampitso alakamisy.

Ratsy fiditra ny Ankoay teo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja basikely lalaovina olona 3, vehivavy, sokajy U23 “Fiba 3 X 3 World Cup”. Fihaonana notanterahina omaly, tany Wuhan, Chine. Faharesena roa no azon’izy ireo, tao amin’ny sokajy “C”. Resy tsy niady nandritra ny lalao voalohany, tokony nikatrohana tamin’i Lettonie. Ara­ka ny tati-baovao, tara ny fiaramanidina nitondra azy ireo, niainga tao Addis-Abeba nihazo an’i Chine ka izany ny antony naha “forfait” ny Ankoay. Niatrika an’i Ouganda kosa teo amin’ny lalao faharoa ka niondrika tamin’ny isa 14 no ho 7. Niady ihany ny fihaonana satria nifanenjehana ny isa. Nitarika hatrany anefa ry zareo ogandezy. 1 no ho 0 avy nosahalain’ny Ankoay. Toy izany hatrany hatreo amin’ny isa 6 izay nitovian’ny isa teny amin’ny solaitrabe. Na­nomboka teo no nitsoaka tsikelikely i Ouganda ka tsy nijanona intsony raha tsy tany amin’ny fandresena farany. Tsy nahatafiditra afa-tsy baolina iray kosa ny Ankoay na­nomboka teo. Anisan’ny nahafaty baolina be indrindra ho an’ny Ankoay Rakotonirina Mianjasoa, izay nahatafiditra 4 raha 2 ny an-dRahariarivony Justine Etienne. 1 fotsiny kosa ny an-dRafarasoa Elinah. Hita teo amin’ny Malagasy mpilalao ny faharerahana noho ny tsy fisian’ny fotoana nialana sasatra fa vao niala ny fiaramanidina, avy hatrany dia na­monjy ny kianja nilalaovana.
Tsy milalao ny Ankoay amin’ity alarobia ity. Hiakatra kianja indray izy ireo ny alakamisy ho avy izao ka hifandona amin’i Tonga, ny maraina ary hifanehitra amin’i Espagne aorian’izay.

Tompondaka

Partager sur: