“Vao manomboka dia resy!” Ratsy ny vokatra ho an’ny ekipam-pirenena malagasy Akio tamin’ity fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Can 2026”, taranja handball, sokajy “Cadets”, sokajy lehilahy ity. Fihaonana tontosaina any Côte d’Ivoire, nanomboka omaly hatramin’ny 22 septambra. Resin’i Algeria, tamin’ny isa 36 no ho 15, ny Malagasy nandritra ny andro voalohan’ny fifanintsanana isam-bondrona, ao amin’ny sokajy “B”. Raha hiverenana ny fihaonan’ny roa tonta, avy hatrany dia hitan’ireo magrebianina ny lesoka. Maro ny baolina tafiditr’izy ireo teo amin’ny fidirana voalohany, raha toa ka somary sahirana tamin’ny fanafihana ny Akio. Isa 21 no ho 3 no nentin’ny roa tonta niala sasatra. Tao anatin’ny fidirana faharoa, mbola nampiseho ny heriny hatrany ny ekipa nasionaly alzerianina. Mbola nampian’izy ireo indray ny isa teny amin’ny solaitrabe. Niezaka nampihena ny elanelan’isa ihany ny Malagasy, saingy mafy ny fiarovan-tenan’ny alzerianina. Nifarana tamin’io isa 36 no ho 15 io ny fifanandrinan’ny roa tonta, resy i Madagasikara. Ekipa magrebianina, Tunisie, ihany no hifandona amin’i Madagasikara, anio. Ankoatra izay, nahazo ny amboaran’ny ekipa mendrika amin’ny fitondrantena sy ny fahaizana mifaninana, “Fair Play”, i Madagasikara nandritra ny «Can Junior» farany teo, ary eo amin’ny laharana faha-14.
Fitia Randria




