12 taona, hiditra amin’ny seho faha-20. Efa mitoetra ho anisan’ireo hetsika mametraka tantara ny « Smooth Night”. Mitohy hatrany, ka hotontosaina ny 2 oktobra ho avy izao, ny andiany faha-20 etsy amin’ ny Ibis Hôtel Ankorondrano, manomboka amin’ny 8 ora sy fahefany alina. Hiavaka kely, satria hamerina sy hamelona ireo sangasan’i Mariah Carey i Yrinaf mandritra ny seho. Mpitendry voky traikefa sy be talenta avokoa no miara -miketrika amin’ity tovovavy manana feo miavaka ity. Ao ry Josia (amponga maroanaka), Njaka Rakotonirainy (vata maroafitsoka) ary Hents (gitara beso), ampian-dry Maholy sy Jakina eo amin’ny feo lafika. Tsy ireo ihany fa hisy namany maromaro hifampizara ny sehatra amin’i Yrinaf mandritra izany. Eo ry Nate Tex, Trio G5, Fidy Dibl, Ken, Mendryka, sns.
Raha tsiahivina, seho hanasongadinana ny mozika «afro-americaine» ny «Smooth Night». Ireo Malagasy mpanakanto manan-talenta anefa no mamelona izany, ka hizara ny mozika araka ny fanaovan’izy ireo azy. Efa nandalo teo ny hetsika namerenana ny hiran-dry Sade, Georges Benson, Fourplay, Babyface, Bryan Mc Night, Boyz II Men, Aretha Franklin, Sade, Lionel Richie, sns. Mpanakanto maro ihany koa no efa nandray anjara tamin’ny «Smooth Night», toa an-dry Tovo J’Hay, Ken, The Women (Elsie, Manoa, Faniah ary Grace Loren), Sandrine Rajaofetra, Nanie, Arison Vonjy, Fy Rasolofoniaina, sns.
Zo ny Aina




