Vanim-potoana hisainana lalina

 

Tsy araka ny ambana, niravona ny olana mahakasika ny fiantsonan’ny fiara fitaterana mankany amin’ny faritra atsimon’ny Nosy. Nilefitra ny mpitokona! Samy nifindra eny Amoronakona. Izay ilay hoe ny isavorovoroan-kilantoana. Vahoaka efa tsy tia korontana rahateo ny Malagasy amin’izao fotoana izao. Mila fitoniana sy mila seha-pihariana milamina. Iaraha-miaina rahateo ny fahasarotana momba ny sosialim-bahoaka. Ny indrokely, misy foana ny sorona, misy ny matimaty fahatany.
Ekena ny karazan-tsedra etsy sy eroa. Tsy azo leferina kosa ny fifamonoana noho ny eritreritra diso. Misy ny mikajikajy diso manodina ny hetsi-pitakiana tsotra ho lalao maloto. Izay mihitsy no ilana fahamailoan’ny olom-pirenena tsirairay mba hahay hanavaka ny vary sy ny tsiparifary. Ahalala izay tokony harahina sy hisarahana. Tsy afa-miaraka rahateo ny tombontsoa manokana sy ny an’ny besinimaro. Raha vao afangaro ireo dia mifamono sy mifanipaka.
Mila mahay mandanjalanja ny olon-drehetra. Tsy ho voasarika amin’ny lalana tsy izy. Marina, tsy mahafapo ny fanavaozana, hatreto. Tsy hita izay asa mivaingana afa-tsy ny fanohizana ny raharaham-panjakana. Izay nilokalokana tsy nisy tanteraka. Tsapa fa toa nandova ny fomba fanao hatrizay aza ry zalahy. Tsy izay ihany fa tena ny mpandova mihitsy no teo ihany no teo. Raha fehezina, fotoana ahaizana misaina sy mamakafaka ny hasiany ny tongony ilay Malagasy. Tsy hiditra amin’ny vela-pandriky ny mpanao politika.
Hankalaza ny tsingerintaonan’ny hetsika ny Gen Z. Asa mba manao ahoana ny tombana? Raha ny tsikaritra, ireo nahay nisavika no tafatafa. Izay nilaza fa tompon’ny hetsika fanina any anaty kajy. Diso nitsambiki-mikipy loatra, tsy nanana vina fa nentanentanin-javatra fotsiny. Inona izany no hatao amin’izao faha herintaona izao? Sao sanatrian’ny vava ka ho fandatsana ny ra latsaka fotsiny. Sao hetsika hanehoan’ny sasany izay tsy mahefa raha tsy ravindravina atentiny fotsiny?
Apetraka ihany ireo fanontaniana ireo mba hisaintsainana satria misy tokoa ilay manampahefana anie ka tena poakaty. Misy dia fihirahirana izao forongony izao no fialana bala amin’ny maha tsy matihanina azy ireny. Tsy mahay mikombom-bava rehefa mitsako. Sanatrian-dresaka ka ho kendan’ny voamanga asesiky ny tanana no iafarany. Fakana lesona izao, na ho an’ny mpitondra na ny vahoaka. Vanim-potoana hisainana, hialana amin’ny nenina aoriana kely ao.

r.r

Partager sur: