Boeny: Miofana ireo mpisehatra amin’ny dihy

Manana mpandihy manan-talenta ny ao Boeny. Tsy ampy anefa ny talenta fotsiny fa tsy maintsy tovanana traikefa izany. Antony hanomezana fiofanana ireo tanora mpisehatra amin’ ny dihy, mandritra ny hadimiana izany, ao amin’ny efitrano « Akory lahaly », Tranoben’ny kolontsaina sy ny serasera Mahajanga. Mitarika izany Ratovonirina Falihery, mpampiofana avy ao amin’ny Akademiam-pirenena ho an’ny zavakanto sy ny kolontsaina na ny Anac. Hifantoka amin’ny fanamafisana ny fahaiza-manao, ny fivelaran’ny talenta ary ny fanatsarana ny teknika eo amin’ny sehatry ny dihy ny fiofanana.
“Sehatra iray ahafahan’ny tanora mampivelatra ny talentany ary fitaovana iray lehibe itahirizana sy hampitana ny kolontsaina malagasy amin’ny taranaka mifandimby ny dihy. Tokony hararaotin’ireo mpandray anjara izao fotoana izao, tsy ho amin’ny fianarana teknika ihany, fa ho sehatra hifampizarana traikefa, hifanakalozana fahalalana ary hampivelarana ny fahaiza-mamorona », hoy ny talem-paritry ny Serasera sy ny kolontsaina ao Boeny.

Zo ny Aina

Partager sur: