Anisan’ireo firenena hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany amin’ny taranja tsipy kanetibe, sokajy lehilahy, i Madagasikara. Hiditra amin’ny fampivondronana hifantenana izay handrafitra ny ekipam-pirenena ny Fédération sport-boule malagasy (FSBM) ny volana oktobra ho avy izao.
Nampahafantarin’ny Fédération sport-boule malagasy (FSBM) tao amin’ny pejin’ny tambajotran-tseraserany, ny talata lasa teo, fa anisan’ireo hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany (Mondial 2027), tanterahina any Thaïlande i Madagasikara. Efa tontosa any amin’ny Federasionina iraisam-pirenena (FIPJP) ny fisoratana anarana ny amin’ izany.
Dingana manaraka ho an’ny federasionina ny fampivondronana ireo mpilalao hifantenana izay handrafitra ny ekipam-pirenena. Hotanterahina eto Analamanga izany, ny 10 – 14 oktobra ho avy izao. Miisa 35 mirahalahy mianaka ireo nahazo fampiantsoana ka efatra mpilaravinahitra any France. Maro ireo masontsivana nakana ireo mpilalao, araka ny vokatra azony sy filaharana misy azy, taorian’ireo lalao isan-tsokajiny. Eo ireo nandrombaka ny tompondaka maneran-tany farany dia i Zigle sy i Lova. Ireo tompondaka maneran-tany lefitra sy izay nahazo ny medaly volamena nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ny faritra fahefatra. Ny niatrika ny “Masters 2026” sy ny “Tournée estivale 2026”. Ho an’ny vokatra teto an-toerana indray, nahazo ny tompondakam-pirenena olon-telo miaraka 2025 sy ny amboara ary ny tompondaka ho an’olon-tokana 2026 ary ireo tompondaka lefitra avy. Ankoatra ireo, misy koa ny tompondaka tamin’ny “Trophée des ligues” ary ireo mpilalao nahazo naoty tsara nandritra ny fampivondronana 2026. Nomarihin’ny tale teknika nasionaly ao anatin’ny taratasy filazana fa ny tsy fanatrehana ny fampivondronana dia efa naman’ny manala tena. Tsy anisan’ireo tafiditra ao anaty lisitra i Hery Monde sy i Drogba. Marihina fa ny 20 – 24 novambra no hanatanterahina ny “Mondial 2026”.
Tompondaka




