SOMBIM-BAOVAO

Hivoaka anio, 17 septambra ao amin’ny pejin’ ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), ny anaran’ireo mpilalao handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy Barean’i Madagasikara, izay hifandona
amin’i Nigeria sy Tanzania, mandritra ny fifanintsanana Can 2027. Andrasana amin’io fotoana io, ny anaran’ ireo mpilalao vaovao nantsoin’i Corentin Martins, mpanazatra.

Efa mandeha ny fampivondronana ny ekipam-pirenena Barea U23, amin’izao fotoana izao, eto Antananarivo. Maro ireo mpilalao tonga manao fifantenana ary manara-maso ny fampivondronana eny an-kianja ny mpanazatra, Coach Heribe. Tsiahivina fa mety hanao lalao ara-pirahalahiana, amin’io faran’ny volana septambra io any France, ny Barea U23.

Misaona ny tontolon’ny baolina kitra mala­gasy. Nodimandry ny afakomaly, teo amin’ny faha-50 taonany, tatsy amin’ny Nosy La Réunion, Razafima­monjy Alberto Jocelyn (Joce Nino). Araka ny loharanom-baovao, nitarika izao fahalasanany izao ny aretina homamiadana efa nitaiza azy fotoana naharitra. Izahay eto amin’ny Gazety Taratra, dia mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviana.

Partager sur: