Jiu-jitsu Brezilianina : Malagasy 10 hiatrika ny amboara maneran-tany

Efa ao anatin’ny fanomanana sahady ny fiadiana ny amboara maneran-tany amin’ ny taranja haiady Jiujitsu brezilianina hotanterahina any Dubaï, ny volana novambra ho avy izao, ny Malagasy. Mi­kasa ny handefa mpikatroka miisa folo ny rafitra federaly eto an-toerana, raha ny fanazavan-dRakotozafy Johary, filohan’ny Federasionina malagasin’ity taranja ity. Hanana solontena amin’ireo sokajy misy i Madagasikara amin’ity fifaninanana maneran-tany ity. Anisan’izany ny zandriny “juvenile” sy ny “amateur” ary ny zokiny “adulte” sy “master”.
Raha ny fanampim-panazavana azo hatrany, firenena maherin’ny 100 eo no handray anjara amin’izany. Ao anatin’ izany ireo mpikatroka avy any Kazakstan sy Amerika ary ny brésil, izay efa manana lenta avo amin’ity taranja ity. No­tsia­hiviny hatrany fa efa in­droa nisesy izay ny Malagasy no nandray anjara tamin’ny fifaninanana iraisam-pirenena tahaka izao. Ny taona 2025 farany teo, nitondra medaly volamena roa, ny mpikatroka zandriny.
Ampahafantarina ihany fa nitondra medaly 11 ny Mala­gasy, volamena fito sy volafo­tsy efatra, nandritra ny fia­diana ny ho tompondakan’i Afrika, izay natao tany Mau­rice, ny volana aogositra farany teo. Mbola manana tanjona ny handrombaka mihoatra an’izany, amin’ity fiadiana ny amboara maneran-tany ity, izy ireo.

Fitia Randria

Partager sur: