« Tafaray samy tia » : Hiray sehatra ny tarika Ny Voanio sy ny Vola sy Noro

Nitovitovy ny fotoana nipoirana. Samy manana ny mpitia ny sanganasany. Tsy mifanalavitra anefa izy ireo. Satria nisy fifamatorana akaiky teo amin’ny kanto atao. Hanamafy izany ny taranaky ny tarika Ny Voanio sy ny tarika Vola sy Noro.

Iray amin’ireo fampisehoana an-tsehatra hiavaka hotanterahina amin’ity faran’ny herinandro ity, eto an-dReni­vo­hitra, ny « Tafaray samy tia ». Ny samy taranaka no hifamotoana sy iray sehatra mandritra izany, hatao ao amin’ny CCEsca Antanimena, ny alahady 20 septambra izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro.
Hiray sehatra ny tarika Vola sy Noro, izay ahitana an’i Mialy sy Bao, zanak’i Vola ary Rondro, zanak’i Noro sy ny tarika Ny Voanio. Fampise­hoana an-tsehatra ho fanamafisana ilay fihavanana efa nisy teo amin’ireo ray aman-drenin’ny tarika roa tonta. Ny taranaka no manohy izany ankehitriny.
Na samy nanana ny mpitia ny sanganasany aza ny tarika Vola sy Noro sy ny tarika Ny Voanio, tsy nifanalavitra izy ireo. Amin’ny ankapobeny, nakamban’ny kanto. Hitovi­zana rahateo ilay fanomezan-danja ny tononkira, fampiaraham-peo mirindra, fanajana fatratra ny mpijery sy ny kanto atao, sns.

Hasongadin’ny ho fizotry ny fampisehoana ilay fanamafisana fihavanana

Hanana endrika miavaka ny fampisehoana an-tsehatra « Tafaray samy tia ». Hikalo ireo hira tsy lefin’ny vanim-potoana ny tarika Vola sy Noro. Tahaka izany koa ny tarika Ny Voanio izay hampanakoako ireo sanganasa tsy foin’ny mpankafy. Hifanakalo­zana ny hira ka hihira ny hi­ran’ny tarika Ny Voanio ny ta­rika Vola sy Noro. Hikalo ireo hira nokaloin’i Vola sy Noro kosa ny tarika Ny Voanio. Ani­san’ny andrasana fatratra ny fampiaraham-peo eo amin’ny roa tonta.
… Fampisehoana an-tsehatra «Tafaray samy tia», ha­namafy fihavanana amin’ny mpankafy ny kanto ihany koa ny tarika Ny Voanio sy ny tarika Vola sy Noro. Hanaporofo indray izy ireo fa namela «za­vakanto» ho an’ny rehetra tokoa ireo ray aman-dreny teo aloha.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: