Noho ny fahantrana : Mandalo sedra mafy ny ray aman-drenin’ireo tanora an-tapitrisa

“Vokatry ny fahantrana lalina, miaina anaty fisedrana mafy ny ray aman-dreny mampiana-janaka amin’izao fotoana. Voka-dratsy no aterak’io aoriana kely”, hoy ny Observatoire de la jeunesse.

Amin’izao fiandohan’ny fidiran’ny mpianatra an-tsekoly izao, mbola mampahatsiahy sy manaitra ny sain’ny fanjakana, indrindra ny amin’ny sehatry ny fampianarana ny Observatoire de la jeunesse, ny amin’ny fidan­gan’ny vidim-piainana sy ny fahasarotana amin’ny fampianaran-janaka. “Mandalo sedra mafy ny ray aman-drenin’ireo tanora an-tapitrisa. Hisy fiantraikany amin’ny hoavin’ny tanora izao, raha tsy hiteny afa-tsy ny resaka fampidirana mpianatra ihany”, hoy hatrany ny Observatoire de la jeu­nesse.
“Sekoly tsy miangatra” no nitoloman’ireo tanora tamin’ny 1972. Tsy hisy safidy afa-tsy izay sekoly mora vidy, izay tsy voatery ho tsara kalitao, ny ray aman-dreny maro. Na ny an­kizy izay ho tonga tanora sy lehibe rahampitso, na ny ta­nora ankehitriny, dia eto no sampanan-dalana izay hamaritra ny hoaviny mandrakizay.
Ho an’ireo tena sahirana ny sekolim-panjakana, saingy, tsy maharaka ny filana. Tsy toy ny taloha, nifandromba­hana mihitsy ny nampiana-janaka tamin’izy ireny na ho an’ny manan-katao aza satria avo lenta ny fampianarana.
Mifoifoy volo vao mahazo fitaovam-pianarana ny ray aman-dreny, satria tena lafo ny vidin’ireo kojakojam-pampianarana, tsy misy latsaky ny 1 000 Ar ny kahie; am-polony anefa no ilaina.
Amin’izao fotoana, toa lasa henatra ny mampiana-janaka amin’ny sekolim-pan­jakana, tena efa tsy fidiny. Ifaninanana ny mampianatra azy ireo any amin’ny sekoly tsy miankina, efaina lafo dia lafo ary lany mondron-kery ny ray aman-dreny mampiditra ny zanany eny, mba hitovy amin’ ny avo saranga.
Fa misy mihitsy ireo tsy tafiditra an-dakilasy. Satria, tsy misy azon’ny ray aman-dreny atao, lasa mivangabao ny ankizy. Misy izany eto an-dRenivohitra, fa indrindra koa ny any ambanivohitra.

Tatiana A

Partager sur: