Fondation Axian sy ny FCRA. : Trano 150 ho an’ireo fianakaviana marefo

Notokanana tao amin’ny kaominina ambanivohitr’i Ta­taho, distrikan’i Manakara, ny trano fonenana sosialy miisa 150 sy ny sekoly Al Mahdi School II tamin’ny afakomaly. Vokatry ny fiaraha-miasan’ny Fondation Axian sy ny fifanam­pian’ny Centre Rassoul Akram (FCRA) ny fotodrafitrasa.
Tetikasa roa mifameno izy ireo. Ny Fondation Axian no namatsy vola tanteraka ny fanorenana trano ka ny 50 dia vita amin’ny akora mateza.
Nojerena manokana ny filan’ireo olona manana toe-tena varira izay anisan’ireo vondron’olona mbola iharan’ ny fanilikilihana, indrindra eo amin’ny fiarovana sy ny fonenana. Ny trano 100 ambiny dia natokana ho an’ireo mpia­natra.
Tanjona ny hanamora ny fahazoana toeram-ponenana ho an’ireo manohy fianarana ambony, indrindra ao anatin’ ny faritra izay mbola voafetra ny fotodrafitrasa fandraisana mpianatra. Sekoly manana fitaovana maoderina, manampy ireo fotodrafitrasa ireo ny Al Mahdi School II, izay natao hanomezana tontolo fiana­rana mifanaraka amin’ny filàn’ ny fanabeazana ankehitriny.
Ahitana solosaina 20 sy tabilao niomerika ifanakalo­zana ireo fitaovana natolotry ny mpiara-miombon’antoka amin’ny FCRA. Afaka mianatra ny teknolojia moderina ireo mpianatra ao Tataho.
Ny FCRA mitondra ny traikefa sy ny fifandraisana akaiky amin’ny vondrom-piaraha­monina. Ny Fondation Axian kosa mampiasa ny loharanon-karena sy ny fahaiza-manaony hanitarana ny fiantraikan’ireo tetikasa eny ifotony.

Tatiana A

Partager sur: