Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ ny distrikan’Amboasary Atsimo, faritra Anôsy, ny atrikasa fanombohana ny tetikasa “First Food”. Natao indrindra hanatsarana ny sakafo ara-pahasalamana sy manan-karena otrikaina ho an’ny zaza 6 ka hatramin’ ny 23 volana izay anisan’ny ezaka natao hiadiana
amin’ny tsy fanjarian-tsakafo, izany.
Tafiditra anatin’ny fiomanana amin’ny fotoam-pahavaratra sy ny rivodoza ny fanadiovana ireo lakandrano sy fantsona samihafa amin’ny alalan’ny VCT na ny asa atakalo sakafo. Nanomboka ny 9 septambra teo izany, tany amin’ny kaominina ambanivohitr’i Morondava.
Olona 400, avy amina fokontany roa, marefo amin’ ny fiatrehana ny fiavian’ny orana no nisitraka io VCT io.
Nampimenomenona ny mpampiasa ny lalana mihazo an’Amoronakona mivoaka Ambohimangakely ny fisian’ny fitohanan’ny fiara tena mitarazoka. Nanomboka tamin’ny nifindran’ny fiantsonan’ny taksiborosy eny an-toerana izany. Tara ora 2 ireo mpianatra sy mpiasa eny amin’iny toerana iny raha hiakatra ny tanàn-dehibe na rehefa hody, ny hariva.




