Dieny izao…

 

Hanao ahoana ny hoe fanavaozana? Na fanovana… Ny atao no mahasoa na maharatsy. Iadiana fo mafy amin’izany ny tsy hiverimberenan’ny krizy politika intsony. Fanararaotra izao, fanarenana sy fanonerana izay tsy nahombiazana hatramin’izay ary fanorenana ny hoavy. Inona no tena lesoka? Ny rafitra, ny lalàna, ny fomba fiasa… Fijery sy fandinika avokoa izany. Aiza ho aiza? Tsy ifampiandrasana, tsy ifanilihana andraikitra, tsy ifanomezan-tsiny… Na izany aza, misy mahita ka miteny fa ny fomba fanaovana politika sy ny mpanao politika no anisan’ny mahatonga ny fiverimberenan’ny krizy, nahapotika ny firenena.
Koa hiova sy hovaina amin’izay ve ny fomba fanaovana politika? Indrindra ny mpanao politika… Izay miova no afa-kanova. Mby aiza? Tsy efa misy azo tarafina amin’izao dingana sy lalana ho amin’ny fanavaozana izao ve, ohatra, ny fiovana na fanovana eo amin’ny tontolo politika raha misy? Kibo mitsara tena ny mpanao politika. Tsy ilaozan’izay be kajikajay sy paipaika. Misy tsy mahazaka resaka, tsy mety hihaino ny hafa, tsy mihevitra na miraharaha izay tena hahasoa ny firenena, fa izay ho azy ihany: fahazoana fahefam-panjakana, fiheverana sy fampisehoana fa tsy misy toa azy… Hanao ahoana?
Dieny izao, anjaran’ny vahoaka no mandinika sy mitsara ary manapa-kevitra amin’ny fijerena lavitra hoe: iza no manao inona, mitetika haninona, miaraka amin’iza na inona.. ? Mety ao anatin’izany avokoa rehefa mety ho karazana hery: fananana olona, vola, firenen-dehibe… Tsy ny politika sy ny mpanao politika ihany no mila miova sy ovaina, raha hanao fanavaozana. Ny vahoaka koa dieny izao amin’ny fijeriny sy ny fitsarany ary ny fanapahan-keviny. Sao manaiky hofitahina na mamita-tena?

R. Nd.

Partager sur: