Vola sy Noro sy Ny Voanio : Azo antoka ny fitohizan’ny kanto

Ny tany ambadiky ny 40 taona lasa no nomena aina… Tafaverina soa aman-tsara. Nanakoako indray ireo hira nandrenesana ny feon’i Vola sy Noro. Tahaka izany ihany koa ny an’ny tarika Ny Voanio.

«Tafaray samy tia », fampisehoana rindran-kira an-tsehatra niarahana tamin’ny tarika Vola sy Noro sy ny tarika Ny Voanio, tao amin’ny CCEsca Antanimena, omaly. Tafaray samy taranaka avokoa izy ireo. Tamin’ny ankapobeny, azo antoka ny fitohizan’ny kanto navelan’ireo raiaman­dreny. Notazonina ny fandrindrana. Heno sy tsapa ary hita misongadina tsara teny an-tsehatra ilay fomba, feo, aingam-panahy namoahan-dry Vola, Noro, Clarisse, Fara, sns, ny hira tsirairay.
Azo antoka ny fitohizan’ny kanto ho an’ireto tarika roa ireto sy ho an’ny tontolon’ny hira malagasy. Na somary nanatombo aza ny isan’ireo zoky raiamandreny nijery ny seho « Tafaray samy tia », omaly. Tsikaritra ihany koa ny fahatongavan’ireo tanora izay tsy nijanona teo amin’ny fijerena fotsiny fa nanaraka nihira teny amin’ny toerana nisy azy. Nitaky ny hamerenana indroa ireo hira ankafiziny.
« Matoa izahay nanapa-kevitra ny hanohy ny kanto nataon’ireo raiamandreny dia ny fahatsapanay fa manan-danja lehibe ny tononkira nap­etrak’izy ireo », hoy ny tarika Ny Voanio. Antoka iray ahafahana manamafy fa mitohy sy hitohy ny kanto ataon’ny tarika roa tonta.
Marihina fa nanana fifamatorana lehibe ny tarika Ny Voanio sy ny tarika Vola sy Noro hatrany am-piandohana. Tazana teny an-tsehatra izany. Nisy ny hira nifanakalozana. Tao ny hira niarahana nikalo, anisan’izany ny « Bazarikely ». Raha ny hita teny amin’ny CCEsca Antanimena, omaly. Iray amin’ireo mahatazona
ny fitiavan’ny Malagasy ny zavakanto tahaka ny hira, ny fahaiza-mitazona ny fototra namoronana sy nihirana ilay hira tany am-piandohana. Hay sy voafehin’ireo taranaky ny tarika Vola sy Noro sy Ny voanio tsara ny nanasongadina izany.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: