TARATRY ny KANTO

Tafiditra ao anatin’ny fisolokiana ihany koa ny fomba amam-panao malagasy ? Tsy fahaizana sa fana­hiniana ? Fitadiavam-bola sa zavatra hafa ? Miko­rontana ny sain’ny Malagasy noho ireo fanontaniana ireo. An’ny Malagasy ny teny hoe « vintana ». Saingy, mifandipatra be ihany ny fahaizana izany. Toa samy milaza azy ho manana ny fahamarinana ireo mitonona ho mpanandro sy mpahalala momba ny andro. Tahaka izany ihany koa ny fomba. Ilay toerana ambara, iray ihany. Ka nahoana no samy hafa sy mifanipaka tahaka ny atsimo sy avaratra ny fomba atao eo amin’izany toerana izany ?
Tafara-dalana anaty boky iray ny zavakanto sy ny kolontsaina. Fantatra tamin’iny faran’ny herinandro iny fa hamoaka ilay boky fampianarana mitendry valiha sady mirakitra fanisana andro malagasy ny foibe fikarohana sy fampianarana Valiha Académie. Nambaran’ny tomponandraikitra fa ankoatra ny fahalalana momba ny valiha sy ny fanandroana. Hamoaka ny hery sy hasina ananan’ny teny malagasy ihany koa ry zareo. « Mbola maro ny Malagasy no tsy mahalala izany. Io tsy fahala­lana io no mitarika any amin’ny fanaovana tsinontsinona ny teny malagasy », hoy ity tomponandraikitra eo anivon’ ny Valiha Académie ity.
Fampisehoana roa teto an-dRenivohitra. Samy nahasarika mpijery. Mbola voaporofo, omaly fa mila fanahy ny zavakanto. Rehefa io fanahy io no iorenany. Tsy afa-misaraka ny mpanakanto sy ny mpijery na ny mpanjifa izany kanto izany. Ankehitriny, mandalo, mise­rana ny kanto voaforona. Midika ve izany fa tsy misy fanahy izy ireny ? Sa, misy ihany fa fanahy mandalo sy miserana ihany koa ?

Partager sur: