Feno ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina etsy Imahamasina, omaly. Tonga marobe ny mpijery. Voatazon’ny Reko hatrany ny fitiavan’ny mpankafy zavakanto azy ireo. Karazany fanamafisana izany ny zava-nisy teny an-toerana nandritra ilay seho lehibe notanterahin’ity tarika ity. Maro an’isa kokoa ireo tanora tonga nijery. Tsy nitsahatra nihira izy ireny. Tsy nijanona ihany koa naneho ilay endrika firaisam-po sy fanahy ary saina amin’ireo teny an-tsehatra.
Anisan’ny nitondra sy naneho ny traikefany, teny amin’ ny Lapan’ny fanatanjahantena sy kolontsaina Imahamasina, omaly, i Jimmy Harison sy ny tarika TGC ary ny Coach Fidy. Samy andrarezin’ny zavakanto malagasy, izay nampifameno ny talentany tamin’ny fahaiza-miseho sehatra ananan’ny tarika Reko.
… Marobe tamin’ireo mpijery no nangataka ny hisian’ny fampisehoan’ny Reko misimisy kokoa ao anatin’ny taona 2027. Na eo aza ny toerana hafa. « Tokony hotazonina hatrany kosa ny ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy kolontsaina ». Fanirian-dry zareo no hisian’ny fampisehoan’ny Reko miisa roa na telo isan-taona ao amin’io toerana io.
… Tazana teny an-toerana ny fananan’ity tarika ity hery sy angovo vaovao hatrany isaky ny manatanteraka seho tahaka izao. Miaina manaraka izany ihany koa ireo mpijery, hany ka mafy ny fiarahana miombom-po afatotry ny kanto.
HaRy Razafindrakoto




