Tafajoro ny faran’ny herinandro, teto Antananarivo, ny Vovonana ivondronan’ny mpisehatra rehetra anatin’ny haino vaky jery amin’ny haitaky ho an’ny fahalalahana maneho hevitra, eto amin’ny faritra Analamanga. Vovonam-paritra fahadimy niorina izany taorian’ny tany Vakinankaratra, Matsiatra ambony, Atsimo Atsinanana ary Anosy. Ho sehatra ifanakalozan-kevitra iarahan’ny mpanao gazety, ireo rafi-panjakana mpandrindra, sy ny fiarahamonim-pirenena ny vovonana hitondrana vahaolana mifandraika amin’ny olana maro sedrain’ny mpisehatra samihafa. Efa nisy ny fankan-kevitra mialoha nataon’ny ONG Ilontsera mpanatanteraka ny tetikasa Manehoa, teny anivon’ny fikambanan’ny mpanao gazety, teto Analamanga, namantarana ireo sakana sy olana manodidina ny fanatanterahana ny asa fizarana vaovao ho an’ny vahoaka.
Napetraka ny tetikasa Manehoa – fahalalahana maneho hevitra eto Madagasikara. Tanterahin’ny ONG Ilontsera miaraka amin’ny Internews ary tohanan’ny Vondrona eoropeanina izany. Tanjona ny ho fampiroboroboana ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety sy ny fanehoan-kevitra eto amintsika. Vokatra andrasana voalohany amin’ny tetikasa ny fananganana vovonam-paritra ka hivondrona ho lasa vovonana nasionaly.
Dingana manaraka ny fihaonan’ny solontenan’ny vovonana dimy eto Antananarivo amin’ity herinandro ity hamaritra ny drafitrasa hotanterahina.
Vonjy




