Maison de l’autisme Ampandrana : Miisa 40 ny zaza nahatilina fambara

Eto Madagasikara, mbola sarotra ny fisitrahana tolotra fitsaboana manokana ny Au­tisme. Vokany, maro ny fianakaviana manana zanaka autiste na misy fikorontanana eo amin’ny fivoaran’ny atidoha mila izany no sahirana. Ma­noloana ny olana, nanao laharam-pahamehana ny fahazoana mitsirika mialoha ahafahana manome torolalana ny fianakaviana ny fikambanana Mouve­ment pour la différence (M4D).
Manana tolotra fitiliana manokana ao amin’ny Maison de l’autisme, naorina ao amin’ny EPP Vohibola, Ampandrana ny M4D. Mandray ny ray aman-dreny rehetra mila fanampiana ny tomponandraikitra. Manoro hevitra momba ny fitsaboana mifanaraka amin’ny filana aorian’ny dinidinika izy ireo. Rehefa hita mialoha ny tohana sahaza, mahomby kokoa izany, hoy ny fanazavan’ny tomponandraikitra.
Nisokatra nanomboka ny volana jolay ny toeram-pandraisana ao Ampandrana. 50 ny zaza notsirihina hatramin’izao. Mahatratra 40 tamin’izy ireo nahatilina fambara mifandraika amin’ny autisme avokoa. Nahazo torolalana mazava ny ray aman-dreny tonga nitondra ny zanany momba ny mpitsabo sy ny toeram-pandraisana na sekoly mahafeno ny fepetra hanampy azy ireo.
Nandritra izay fotoana izay, nahatsapa ny M4D fa zava-dehibe ny fisian’ny rafitra, toy ny toeram-pitiliana mialoha hanohanana ny fianakaviana ho tombontson’ny ankizy.

Vonjy

Partager sur: