Manoloana ny toe-draharaha ara-pahasalamana nampanahy any amin’ny kaominina Ambanivohitr’Ampasinambo – Fasintsara. Efa ao anatin’ny fanomanana sy fivoriana maika ho fandrindrana ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka amin’ny alalan’ireo sampan-draharaha voakasika ao Ifanadiana. Araka ny tatitra voaray teny ifotony, 18 ny fahafatesana voarakitra tao Fasintsara, raha 18 kosa tao Ampasinambo, ka 14 fahafatesana teny anivon’ny fiarahamonina ary 4 tao amin’ny tobim-pahasalamana. Ao Ampasinambo ihany koa dia 64 ireo tranga ahiahiana voarakitra tamin’ny andron’ny 19 septambra lasa teo.
Natomboka ny herinandro lasa teo, ny fizarana tohana ara-tsakafo ao anatin’ny Vonje Longo II, tao amin’ny distrikan’i Ampanihy niaraka tamin’ireo tomponandraikitra samihafa. Tao amin’ny kaominina ambonivohitra Ampanihy, tokantrano 1 053 no nisitraka ny tohana, ka 26 325 kg ny vary nozaraina avy amin’ny fanjakana malagasy sy ny Indiana. Mitohy any amin’ireo kaominina ao amin’ny distrikan’i Ampanihy sy ireo faritra sy distrika hafa mbola ahitana tsy fanjarian-tsakafo sy tsy fahampian-tsakafo ny fizarana tohana ao anatin’ny Vonje Longo II.
Misokatra ho an’ny daholobe ny ivontoeran’ny fikambanana Madagascar Alzheimer Masoandro Mody eny Fenomanana Mahazoarivo, anio tontolo andro. Ampahafantarina ny mpitsidika ny asan’ny fikambanana momba ny fandraisana an-tanana ireo mararin’ny aretina alzheimer sy ny fianakaviany. Haranty sy amidy eny an-toerana koa ny vokatry ny asa tanana’ireo zokiolona ao anatin’ny fikambanana. Marihina mandritra ity volana ity ny ady atao amin’ny aretina ka hetsika maro no nokarakarain’ny fikambanana.




