Basikety – Mada U18 : Noraofin’Analamanga avokoa ny amboara

Tontosa tany amin’ny ligin’Atsimo Andrefana, ny alahady lasa teo, ny fifaninanam-pirenena ho an’ny sokajy U18, taranja basikety. Noraofin’Analamanga avokoa ny amboara tamin’izany. Voahosotra ho tompondaka teo amin’ny sokajy vehivavy ny ASA, rehefa nandresy ny MB2 All tamin’ny isa 68 no ho 57. Adin’ny samy ekipan’Analamanga ny azy roa tonta ireo. Voafidy ho mpilalao mendrika i Sitrakiniaina, avy amin’ny ASA ary mpamono baolina be indrindra i Many, avy amin’ny JAP Mada Alaotra Mangoro, izay nahafaty baolina 115. Ny AST Anala­manga no teo amin’ny lehilahy, izay nandavo ny ASE Atsimo Andrefana, tamin’ny isa 68 no ho 57. Mpilalao nahatafiditra baolina be indrindra i Aina avy amin’ny NBE Analamanga. Miisa 146 ny baolina tafidiny nandritra ny fifaninanana. Mpilalao mendrika i Randja, avy amin’ny AST. Nahazo lelavola 2 tapitrisa Ar avy amin’ny Yas ny ekipa mpandresy raha 1 500 000 Ar ny an’ny faharoa. Novatsian’ny federasiona fitaovana toy ny baolina kosa ny ligin’Atsimo Andrefana.

Tompondaka

Partager sur: