Gasy Money-BGFI Bank : Mikirakira ny banky amin’ny alalan’ny finday

Manitatra ny tolotra ho an’ny mpanjifa hatrany ny BGFIBank. Nampahafantarina ny 18 septambra teo ny Gasy Money, fomba ahitana ireo tolotra sy ny tontolon’ny banky amin’ny alalan’ny finday. Tsotra, haingana ary azo an­toka. Afaka manokatra kaonty Gasy Money daholo ny rehetra ny mpanjifan’ny BGFI Banky sy ny tsy mpanjifa koa aza, hatramin’ny mpanjifan’ny banky hafa tsy ankanavaka. Azo itahirizana na andro­tsa­hana vola eny amin’ny Cash point na kaonty amin’ny banky, na eny amin’ny masoivohon’ ny BGFIBanky. Toky omen’ny Gasy Money ny mpan­jifa ny hoe « arovana ireo izay tena manan-danja », satria zava-dehibe ho azy ny mpanjifa, ka tsy maintsy arovana.

Tolotra banky rehetra

Anisan’ny tena mampia­vaka ny Gasy Money ny fahafahana mampiasa ireo kara­zana tolotra amin’ny banky rehetra. Azo isintonam-bola eny amin’ny Cash point na eny amin’ny masoivoho BGFI, na eny amin’ ireo mpiara-miombon’antoka aminy. Azo andoavam-bola amin’ny fividianan-javatra isan-karazany eny amin’ ny mpivarotra na tranombarotra. Afaka hampidiram-bola ny karatra banky Visa sy hijerena ny kaontim-bola ao anatiny. Izany hoe, ho tsotra, mora sy haingana ny fampidirana na famindrana vola ao amin’ny karatra, satria ampitain-davitra tanteraka izany. Azo handefasana vola any amin’ny kaonty Gasy Money hafa, amin’ ny alalan’ny Airtel Money.

Njaka A.

Partager sur: