VAOVAO TAMBATRA

Tsy maintsy amidin’ny Banky foiben’i Mada­gasikara (BFM) ny 50% ny volamena azon’ireo mpandraharaha. Miverina ny fahazoana manondrana any ivelany, ka ny Comptoir de l’Or manana fanka­toavana (agréement) irery ihany no manao azy. Tsy maintsy mandalo ao amin’ny Birao tokana ho an’ny fanondranana harena an-kibon’ny tany any ivelany (GUE), kosa ireo manana fahazoan-dalana mitran­draka.

Mirongatra ny fitrandrahana tsy ara-dalàna vatosoa any Makira sy volamena any Mantadia. Samy ao anatin’ny Faritra arovana daholo ireo toerana ireo, araka ny fanairana ataon’ny mpisehatra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Voalazany koa, fa mandeha ny fandripahana ala mahery vaika any amin’ny Tanda­vanala Ankeniheny Zahamena (Caz), heverina fa ho doran’ireo mpanimba, ka mety hifandrombaka hitrandraka harena an-kibon’ny tany avy eo.

Ahemotra amin’ny 28 septambra ny fampandoavana ny saran’ny fiantsonan’ny kamiao, tsy mitondra entana ho ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina. Any Tsarakofafa, manoloana ny tobim-pandanjana, ny toerana vonjimaika, hanatanterahana izany. Tokony ho omaly 21 septambra ny fotoana nampiharana ity fandoavana ny saram-piantsonana ity fa nahemotra noho ny fandaminana tsy maintsy natao.

Partager sur: