SOMBIM-BAOVAO

Mbola mitohy hatrany ny fanomanana ho an’ny klioban’ny CFFA Andoharanofotsy. Raha tsy misy ny fiovana, hanatanteraka lalao ara-pirahalahiana amin’ny ekipan’ny Artis FC, etsy amin’ny Kianjan’ny CFFA Iavoloha, izy ireo, anio, amin’ny 10 ora maraina. Marihina fa hiatrika ny dingana faharoa, fifanintsanana afrikanina, « Ligue des champions Caf », izay hihaonana amin’ny Young Africans SC Tanzanie, ny CFFA.

Hiatrika ny fifaninanana taranja Padel, sokajy lahy sy vavy, « Island Cup », andiany fahatelo, hotanterahina atsy La Réunion, ny 1 – 4 oktobra ho avy izao, i Madagasikara. Ankoatra ny Malagasy sy ny renioney, mpampiantrano, hifanintsana amin’izany ihany koa ny Maorisianina. Tanjona amin’izany ny hahazoana ny amboara roa, hody eto an-tanindrazana.

Nivarina any amin’ny laharana fahefatra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Espagne, La Liga, ny ekipan’ny Real Madrid FC, omaly, rehefa resin’ny Atletico Madrid, tamin’ny isa 2 no ho 1, afakomaly, tao amin’ny Kianjan’ny Metropolitano. Mbola mipetraka eo amin’ny laharana voalohany kosa ny FC Barcelone, tsy mbola nahita faharesena tamin’ity taom-pilalaovana ity.

Partager sur: