Tsipy kanetibe – UBMT  : Klioba zandriny indrindra nefa misongadina

Anisan’ireo klioba Tsipy kanetibe zandriny indrindra ny UBMT (Union des boulistes manjaka tokana Ambohitri­manjaka) izay niorina ny volana marsa 2026. Klioba tarihin-dRatsimbaharison Luc sy i Rijavola ary Randrianaivo Eric. Efa manana ny toerany, na eto Madagasikara na any ivelany, ny klioba. Manana fijery vaovao amin’ny fomba fitantanana sy ny hoavin’ny mpilalao izy ireo. Azo tsapain-tanana ny vokatra, ankehitriny, satria namoaka mpilalao ao amin’ny Decines France, toa an’i Zigle, tompondaka maneran-tany “tir de précision” sy i Yves, tompondaka La Marsei­llaise 2025 ary i Tina kely, tompondaka maneran-tany lefitra. Namba­ran’i Luc fa tsy ny faharetan’ny klioba no mamaritra ny vokatra fa ny fomba fanabeazana sy fikolokoloana ny mpilalao. «Tsy mahavelona ny kanetibe amin’izao rafitra izao», hoy izy. Olana lehibe tondroiny ny resa-bola. Ho azy, azo atao ny mampivelona mpilalao amin’ny kanetibe, raha havaozina ny rafitra. Vahaolana arosony ny fisian’ ny “boss” miaraka amin’ny fifanarahana mazava. Hifantoka betsaka amin’ny tanora ny UBMT ho an’ny taona 2027. Vina ny handefasana mpilalao any ivelany satria efa misy fiaraha-miasa eo amin’ny UBMT sy ny De­cines France. Hiso­katra amin’ ireo mpilalao ivelan’­Anala­manga ny klioba amin’ity tetikasa ity. Hisy ny fanofanana ara-teknika sy fianarana teny frantsay ho an’ireo mpilalao.

Fitia Randria

Partager sur: