Toekarena maitso : Fako plastika 1 875 kg voahodina ho lasa dabilio

Manohy ny hetsika fandraisana andraikitra ara-tsosialy sy ara-tontolo iainana ao Toamasina ny Helios Towers Mada­gascar. Tao anatin’izay, fako plastika milanja hatrany amin’ny 1 875 kg no voaangona sy voahodina ho lasa latabatra sy dabilio. Tetikasa hanohanana ireo sekoly simba taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Gezani. Anisan’ireo hisitraka izany ny EPP Manangareza, EPP Espérance ary ny EPP Ambohijafy. Izy ireo izay samy mahazo dabilio miisa 25 avy isaky ny sekoly. Nanangona sy namadika ireo fako plastika ho lasa tetikasa kosa ny orinasa Andao Company. « Manodidina ny 25 kg ny plastika voahodina ampiasaina amin’ny latabatra sy dabilio iray, ka mahatratra 1 875 kg izany ho an’ireo 75 », hoy ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny Andao Company, Raminosona Zina. Nambarany fa tohana ho an’ny toekarena ny tetikasa noho izy mandalo dingana samihafa. Manangona, manasokajy ny fako, manodina ary manamboatra ireo fitaovam-pianarana. Ankilany, mamatsy vola hanarenana ny efitrano fianarana isaky ny sekoly kosa ny Helios Towers Madagascar. Hisitraka izany ireo mpianatra miisa 1 817, amin’ny alalan’ny fiaraha-miasany amin’ny Andao Company hanomezana aina vao ny fako plastika sy hanohanana ny fanabeazana amin’ireo sekoly ambaratonga fototra. « Potika tanteraka i Toamasina, indrindra ny sekoly sy ireo toeram-pianarana samihafa taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Gezani, antony nahatonga anay nitondra ny anjara biriky tamin’ny fanarenana ireo efitranom-pianarana sy nanomezana ireo dabilio miisa 75 vita avy amin’ny fako plastika avy eto an-toerana ihany », hoy ny tale jeneralin’ny Helios Towers Madagascar, Andriamanamihaja Holy.

Henintsoa

Partager sur: