Ifanadiana : Voaporofo fa 37 ireo ankizy matin’ny tazomoka

Nanamarina ny minisite­ran’ny Fahasalamana fa nisy tokoa ny faty olona tany Ampasinambo sy Ampasi­tsara. Mitotaly 37 ireo ankizy sy zaza namoy ny ainy vokatry ny aretina tazomoka sy ny kitrotro. 5 ny zaza maty tao amin’ny CSB II Ampasi­nambo, 14 no maty teny amin’ny fiarahamonina. Na­hatratra 19, araka izany, ireo olona maty tao Ampasinambo. Tapa-bolana mialoha io anefa dia efa nisy tranga mitovitovy amin’izany tao amin’ny kaominina Ampasitsara ka 18 no maty. Mitotaly 37, araka izany, ireo zaza maty tao amin’ny distrikan’Ifanadiana. Mafana hoditra, mivoaka mandrotsirotsina ny vatana ary mitsory ny lelo, mena ny maso.
145 km miala an’Ifana­diana no misy ireo kaominina roa nahitana trangan’aretina nandripaka zaza maro ireo. Moto ihany no ahafahana mankany ary atao mandritra ny roa andro izany lalana izany. Nananosarotra ny fampitana ny vaovao ka nampitarazoka ny fandraisana andraikitra.
38 ireo ekipa nidina tany an-toerana. Moto 20 no nalefa nitatitra azy ireo. Nitsabo no anton-dian’ireo dokotera tany ka 362 ireo nozahana maimaimpoana. 36 no nahitana tranga tazomoka. Misy eki­pan’ny laboratoara manohy ny fitiliana. Voafehy ny aretina amin’izao fotoana.

Tatiana A

Partager sur: