« Ant’SAry Doc Mada », andiany faha-4 : Hasongadina ireo horonantsary fanadihadiana

Horonantsary maro notontosaina tany amina firenena 10, anisany ny eto Madagasikara. Ireo no halahatra, hampahafantarina sy hifaninanana mandritra ny “ant’Sary Doc Mada”.

Hatao eto Antananarivo ny andiany faha-4 amin’ny “Festival Ant’Sary Doc Mada”, ny 25 septambra hatramin’ny 3 oktobra izao. Hetsika iraisam-pirenena, mi­o­mpana manontolo amin’ny horonantsary fanadihadiana izy ity. Sanganasa 17 no voafantina handray anjara, avy amin’ny firenena 10. Ahitana an’i Niger, République Démo­cratique du Congo, Répub­lique du Congo, Maroc, Égypte, Bénin, Sénégal, Mayotte/ France ary Maurice. Horonan­tsary fohy ny 10 raha lava kosa ny 6. Misy « expérience digitale » iray manampy an’ ireo.
« Manasongadina lohahevitra maro ireo mpanatontosa horonantsary. Voaresaka ao ny kolontsaina, ny fifindra-monina, ny fiarahamonina, sns. Tsy mijanona amin’ny fandefasana horonantsary fotsiny ny hetsika fa sehatra hihaonana sy hifampizarana traikefa ihany koa », hoy ny nambaran’ny mpikarakara, oma­ly, tetsy amin’ny IFM Analakely. Ao amin’ity toerana ity no handefasana ny ankamaroan’ireo horonantsary.
Anisan’ny zava-baovao amin’ity andiany fahefatra ity ny atrikasa ho an’ny fanoratana horonantsary aty amin’ny faritry ny ranomasimbe In­dianina. Natao ho an’ireo mpanatontosa vao manomboka izany, hanomezana azy ireo ny fototra tokony hilaina mialoha ny fanadihadiana. Hisy Malagasy mpanatontosa am-polony handray anjara amin’ny atrikasa. Vahiny sy Malagasy ihany koa no hampiofana.
Voizina mandritra ny hetsika ny fanabeazana amin’ny alalan’ny horonantsary. Hale­fa any amin’ireo sekolim-panjakana ny horonantsary mifono fanabeazana, hampitaina amin’ireo mpianatra. Ny 3 oktobra, mandritra ny lanonam-pamaranana, no ho fantatra ireo horonantsary mendrika isan-tsokajy.

Zo ny Aina

Partager sur: