Natao ombay mitady : Lehilahy hita faty tanaty hantsana

Hita faty tanaty hantsana, tao andrefan’i Mandrosoa, Andramasina, omaly maraina, ny raim-pianakaviana iray nokarohin’ny havany nanomboka ny alarobia lasa teo. Nisy ratra teo amin’ny tavan’ity lehilahy ity. Hita teo akaikiny ny moto fampiasany. Niala avy aty Antananarivo izy ka tsy naharaisan’ny havany vaovao intsony taorian’izay. Nika­ro­ka azy ny fokonolona. Ahin’ ny mpanao fanadihadiana ho tra-doza tampoka izy ka nilatsaka tanaty hantsana ny moto nentiny. Tsy nisy nahatsikaritra ka nitarika ny fahamoizany aina. Tsy nisy nipika ny entana izay nentiny tamin’ny moto. Ankoatra io, lehilahy iray hafa hita faty tao amin’ny trano fandraisam-bahiny iray tao Mana­kara, omaly. Niaraka tamin’ny vehivavy tao amin’io toerana io izy, ny alina, araka ny loharanom-baovao. Tsy ni­voaka tao amin’ny trano intsony ilay rangahy ka nampiahiahy ireo mpiasa. Nanama­rina ny zava-nitranga tao anatin’ny efitra ireto farany. Nofo mangatsiaka an’ilay rangahy hany sisa hitan’izy ireo teo ambony fandriana. Tavela teo ambony latabatra ny sigara sy ny finday nampiasain’io lehilahy io. Ny moto nampiasainy izay na­velany tao amin’ny faritry ny hotely. Tsy hita ilay vehivavy voalaza ho niaraka taminy. Nanao ny fanadihadiana mom­ba ity tranga ity ny manam-pahefana miasa ao Manakara.

Tsiferana R.

Partager sur: