Tovolahy roa no voasambotry ny polisim-pirenena miasa etsy amin’ny paositry ny polisy Loharanombato, omaly. Tratra nitondra rongony nandritra ny fotoam-pamadihana iray teny an-toerana, antony nisamborana azy ireo. Polisy manao fanamiana sivily no nahatratra azy ireo. nentina eny amin’ny biraon’ny polisy izy ireo taorian’izay.




