Fanampiana ny marefo : tokantrano 14 880 nisitraka vatsy any Atsimo Atsinanana

Mbola misy amin’ireo mponina ao anatin’ny distrikan’i Midongy Atsimo sy Vondrozo, faritra Atsimo Atsinanana no tsy tafarina ary mila tohana sy fanampiana ara-tsakafo taorian’ ny nandalovan’ny rivodoza nifanesy ny taona lasa sy voakasiky ny rano be fa­rany teo.
Nizara vatsy Tsinjo ho an’ny kaominina valo anatin’ny distrikan’i Vondrozo (Vondrozo, Andoharano, Manambidala, Ambo­hi­ma­nana, Anandravy, Antoko­nala, Ivato, Manato) ho an’ny tokantrano 4 000 ny fanjakana.
Nahazo ny anjarany koa ny tokantrano 1 500 ao amin’ ny kaominina Nosifeno sy Ankazovelo, distrikan’i Midongy Atsimo. Hitohy amin’ny kaominina Ivon­dro Lavaraty, Sakobany, Andranolalina, Maliorano ary Bevahotao ny fizarana. Ho an’ny distrikan’i Van­gaindrano, tokantrano 7 000 anatin’ny kaominina 10 ni­sitraka fanampiana. Anisan’ ny nizaràna koa ny tokantrano 2 380 mitsinjara amin’ ny kaominina efatra, ana-tin’ny distrikan’i Farafan­gana. Manampy ny vatsy ny fizaràna masomboly sy zezika tao amina kaominina enina amin’ny distrikan’i Farafangana. Mbola ho avy ny fizarana ny « ration de protection » (sakafo manokana) ho an’ny zaza, ny reny mitondra vohoka sy mampinono.

Vonjy

Partager sur: