Fifanintsanana « Can 2027 » : Sahirana ny Super Eagles vao nahalavo ny Barea

Ratsy ny vokatra azon’ny ekipam-pirenena malagasy, omaly, nandritra ny andro voalohany, fifanintsanana “Can 2027”. Lavon’i Nigéria tamin’ny isa 2 no ho 1 ry zareo, omaly, tany Nigéria.

“Resy fa nanohitra!” Afa-bela ny Super Eagles Nigéria raha nihaona tamin’ny ekipa nasionaly Barean’i Madagasikara nandritra iny andro voalohan’ny fifanintsanana “Can 2027” ho an’ny vondrona “L” iny. Lavon’ny Nizerianina tamin’ny isa 2 no ho 1 ny Malagasy, omaly, tao amin’ny Kianjan’ny Godswill Akpabio, Uyo Nigé­ria. Raha hiverenana ny fifanandrinan’ny roa tonta, azo lazaina fa  nifandanja ihany ny fifanafihana teo amin’ny andaniny sy ny ankilany. Ny Mala­gasy no nanakobana ny harato voalohany, tamin’ny alalan’i Eshan Kari, rehefa nahazo tolotra tsara avy amin’i Ponti, ny minitra faha-16 nilalaovana. Taorian’io, nikoropaka tanteraka ny Nizerianina, ka niezaka nanao izay ho afany ry Chuk­wueze, sy Iwobi ary Lookman. Efa tany amin’ny fe-potoana fanampiny, faha-46 min, vao nahasahala ny isa teny amin’ny solaitrabe i Ilenikhena, lohalaharan’i Nigéria, rehefa nanaovan’i Lookman, “sans ballon” ny tolotra nomen’i Bissey azy ka tafaporitsaka tao amin-dry Tremolet ny tenany. Ady sahala 1 no ho 1 no nentin’ny roa tonta niala sasatra. Teo amin’ny fidirana faharoa, nahita fanafihana tsara ny Malagasy, saingy tsy tafiditr’i Rayan Raveloson izany na dia izy sy ny mpiandry tsatoby aza sisa no teo, minitra faha-50. 15 minitra taorian’io (faha-65 min), nampakatra ny isa ho 2 no ho 1 i Usor, mpanafika nizerianina. Niezaka nanenjika ny isa ihany ny Malagasy, saingy mailo hatrany ireo vodilaharan’i Nigéria. Nijanona tamin’io ny fiafaran’ny lalao, resy ny Barea. Very isa telo aloha izany ny Barea.
Tsiahivina fa mbola hidona amin’i Tanzania, i Mada­gasi­kara, ny 29 septambra ho avy izao, any Maroc. Marihina fa anatin’ity vondrona L ity, izay voalohany ihany no ho tafita hiatrika ny “Can 2027”, noho ny fisian’i Tanzania izay efa tafita avy hatrany amin’izany noho izy mpampiantrano. Ampahafan­tarina ihany fa i Tanzania izay lavon’i Guinée Bissau, 2 no ho 0, omaly.

Fitia Randria

Partager sur: