Misaona ny baolina kitra malagasy. Nindaosin’ny fahafatesana ny alakamisy lasa teo, teny amin’ny trano fonenany, teny Alasora, teo amin’ny faha-76 taonany, ny Me Kira Michel.
Nitarika ny fahafatesany ny aretina efa nandazo azy fotoana naharitra. Mpilalao nitondra avo ny voninahitr’i Madagasikara Ratompokolahy. Irakiraka sady kapitenin’ny ekipam-pirenena Club M, tany amin’ny taona 80. Maro ny klioba nilalaovany fa tao amin’ny Corps enseignants Toliara no nandaniany ny hatanorany. Nampiavaka azy ny tongony havia sy ny fitaka ary ny fandakana “coup franc”. Nampiaiky ireo mpilalao afrikanina ny talentany ka anisan’izany, ireo kamerone, i Roger Mila, sy ilay mpiandry tsatoby i Thomas N’Kono. Noho izany fahaizany izany no nahazoany ny anarana hoe: “Maître”. Izy rahateo mpampianatra tany Toliara. Maro ireo klioba tany ivelany niantso azy, saingy tsy navelan’ny mpitondra tamin’izany fotoana izany nandeha izy. Reharehan’ny faritra Atsimo andrefana Ratompokolahy ka nampitondraina ny anarany ny kianja ao Andaboly. Ankoatra ny baolina kitra, mpilalao handball sy volley-ball koa ny tenany. Mialoha ny hitondrana azy any Toliara, andrasana etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina ny nofo mangatsiakany, anio. Mirary fiononana feno ho an’ny vady aman-janany sy ny fianakaviana manontolo ny Gazety Taratra.
Tompondaka




