Ankoatra ny fijerena ny fandrosoan’ny asa fanamboarana ny tsena eny Ampanotokana, nitsidika ny tanànan’Ambatomaro koa ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, omaly.
Nijery ny fandrosoan’ ny asa teny amin’ny tsenan’Ambatomaro Ampanitokana ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, Andriantsitohaina Naina, omaly. Efa mijoro ny Fikambanan’ireo mpivarotra volamasoandro Ambatomaro (FIMVA) ivondronan’izy ireo. Efa nahavita fanaovan-tsonia fifanarahana fiaraha-miasa tamin’ny ben’ny Tanànan’ Antananarivo Renivohitra izy ireo. Hisorohana ny kolikoly sy ny fikirakirana vola, nanaiky ny “digitalisation” ireo mpivarotra ary efa an-dalana ny fikirakirana sy ny fizarana ny karatra nomerika. Ankoatra ny fijerena ireo tsena, nitsidika ny tanànan’Ambatomaro ihany koa ny tenany. Hita fa mbola maro ny tsy fanarahan-dalàna any anaty tanàna. Nisongadina ny fanorenana trano eny ambony lakandrano ka mampijaly ny mponina satria tsy misy fivoahany intsony ny rano maloto sy ny ranon’orana rehefa fotoam-pahavaratra. Anisan’ny mampitaraina ny mponina ihany koa ny fahateren’ny lalana noho ny hamaroan’ny mpivarotra eny amin’ny sisin-dalana miteraka olan’ny fifamoivoizana sy ny fivezivezena. Nilaza anefa ny ben’ny Tanàna fa vahaolana ny fametrahana ireo mpivarotra any anaty tsena ary efa misy toerana eritreretina hananganana. Nankasitraka ny ben’ny Tanàna ireo mponina eny an-toerana tamin’ ny fitsidihana sy ny famaliany ny fangatahan’ izy ireo.
Vonjy A.