« Ivony », etsy amin’ny Coliseum: Miatrika fanamby goavana ry AmbondronA

Rahampitso ilay andro lehibe ho an’ny tarika AmbondronA sy ny mpankafy azy. Tsy ny famenoana ny Coliseum intsony ny fanambin’ny tarika, fa hametraka seho ho tantara.

Herinandro mialoha no nanomboka ny fanomanana ny sehatra. Tsy mbola fahita hatrizay nisian’ny seho tao amin’ny Coliseum Antsonjombe no homanin’ny tarika AmbondronA. «Ivony no nataonay anaran’ny seho, satria ivon’ny fankalazana ny 25 taona ity », hoy ny fanazavan’i Beranto, nandritra ny fihaonan’ny tarika tamin’ny mpanao gazety teny an-toerana.
Fanamby lehibe no hataon’ny tarika amin’ity seho ho­tontosaina rahampitso ity. Fa­namby voalohany ny kalitaon’ ny seho, niantsoana matihanina maro hifarimbona: Nyr Image, Bé Bose Konsert Audio ary mi’Ritsoka. Fanam­by faharoa ny hipetrahan’ny seho ho tantara tsy voakosoka ao anatin’ireo mpankafy. «Hatao eto afovoany ny sehatra, mba mifanakaiky kokoa isika. Hampiaina tantara kely isaky ny vanim-potoana nolalovana izahay 5 mirahalahy sy isika rehetra. Ezahina hofehezina ao anatin’ny adiny 3 sy sasany izany », hoy hatrany ny fanazavan-dry zalahy.
Notsindrin’ny Ambon­dronA mafy izay fiarahany amin’ny mpankafy izay. « 25 taona isika » tokoa no lohahevitra nanamafisana izany. Efa natomboka tao amin’ny La City ny fankalazana. Nitohy tany amin’ny faritra maro ary mbola hitohy aorian’ny ivon’ny fankalazana. Tsy hadino ireo mpankafy any ivelany, efa miomankomana handray ny tarika.
Nisafidy niara-dalana amin’ny tarika sy ny mpankafy azy amin’ity « Ivony » ity ihany koa ny Orange Madagascar. Maromaro ireo sehatra handraisan’izy ireo anjara, toy ny lalao sy fanentanana isan-karazany.

Zo ny Aina

Partager sur: