Andron’ny sekoly : volavolaina any am-pianarana ny toetran’ny ankizy

Nofaranana omaly tetsy amin’ny kianja Barea Maha­masina ny andron’ny sekoly. Niavaka ny fankalazana satria niompana betsaka tamin’ny fanabeazana ny maha olona. Lohahevitra: “Sekoly loharanom-pahalalana: fahendrena, fahaiza-miaina, mikajy ny tontolo iainana sy ny fananana iombonana”. “Tsy hijanona ho fanomezam-pahalalana fotsiny ny sekoly fa entina hamolavolana ny toetran’ ny mpianatra”, hoy ny talen’ny fanabeazana, Rao­liarijaona Andriamihanta Tsilavo. Tanjona ny hifanentanana amin’ny fanatsarana sy fampiroboroboana ny kalitaon’ny fanabea­zana.
“Mikorosy fahana ny tsy fanajana ny tanindra­zana sy ny tontolo iainana ary ny fananana iombo­nana…” hoy ny sekretera jeneralin’ny Fanabeazam-pirenena, Rabenandrasana Théophil, omaly, teny Ma­hamasina. Mila volena ao anatin’ny sain’ny ankizy ny fahaiza-miaina: tia ma­naja ny fananana iombo­nana mba hialana amin’ ireo olana ireo. “Tokony hi­­masoan’ny sekoly ny fanabeazana maha olona ireo mpianatra mba hananana olom-pirenena va­nona”, hoy hatrany ny sekretera jeneraly. To­kony hivadika toetra izany, hiaro sy hikajy ny tontolo iainana ary ny fananana iombonana izy ireo, araka ny fanazavana.

Nanolotra bisikileta miisa 76

Nisitraka bisikileta aman’alina avy amin’ny masoivoho indianina ny avy ao amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. 76 tamin’izany no­zaraina amin’ny Cisco eto Antananarivo, nandritra ny lanonana. Natolotra ho an’ireo mpianatra sy mpampianatra mendrika tamin’ny taona lasa izany. Hitohy any amin’ny faritra hafa manerana ny Nosy ny fizarana. Nomarihina tamin’ny hetsika maro ny fankalazana. Anisan’ izany ny fifaninanana sary sy famoronana lahatsoratra ary kabary mifandraika amin’ny lohahevitra. Nan­draisan’ny ankizy anjara. Mpianatra 3 nandresy ta­min’ny fifaninanana notolorana valisoa avy amin’ ny tomponandraikitra sy ny minisitera. Ankoatra izay, nisy tranoheva nampirantiana ny anjara asan’ ny fitaleavana rehetra eo anivon’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Tafiditra ao anaty velirano fahefatra napetraky ny filohan’ny Repoblika ny hetsika toy izao.

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: