Nanatanteraka ny famerenana farany, omaly, ireo mpilalao teatra 9 mianadahy. Hamelona ny tantara Voamaintilahy, rahampitso alahady 27 septambra, eny amin’ny Ivokolo Charles Ravaloson, Analakely, izy ireo. Samy hitondra ny anjara toerany avy izy 9 mianadahy ary ho velomina eo imason’ny mpijery ny tantara efa nomanina hatry ny ela. Tsiahivina fa mpilalao teatra avy amin’ny Tropy Ilo ireto hiakatra an-tsehatra ireto. Ravaloson Haja no nanao ny rindran-tsehatra. Hiran-dRaharijohn Victor sy Ramananarivo Kiki no hanaingoana ny tantara ary Ravo Myel kosa no mpanatontosa ny seho. Ireto avy ireo mpilalao: I Kanto hitana ny anjara toeran-dRahary, i Tranck no Rafaly. I Christiani kosa no Randresy, i Noely no handray ny toeran-dRandretsarivo. I Patrick no hilalao ny anjara toeran-dRatrimo. I Fanilo no Rahanta, i Hanitra no Fanja. I Kiki no hitana ny toeran-dRazaka ary i Franck no Ndremba. Nohamafisin’ny mpikarakara fa efa herintaona no nanomanana ny Voamaintilany. Ny hira teatraly izay mifamatotra amin’ny fizotry ny tantara no tena mampiavaka azy. Anisan’ny hafatra ho ampitaina ny fiantraikan’ny safidy sy lolom-po navelan’ny ray aman-dreny, amin’ny fiainan’ny zanaka.
Mi. Raz




