Ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, notohanan’ny USAID Madagascar, amin’ny alalan’ny tetikasa Impact miampy ireo mpiara-miombon’antoka sy ny Unicef dia manao fitsidihana arahina fifanakalozana any Malawi ny 20 hatramin’ny 28 febroary izao.
Tanjona ao anatin’izany fivahinianana izany ny hianatra ny traikefa ao Malawi eo amin’ny fampandrosoana sy ny fampiharana ny e-SIGL na ny fikirakirana ireo angom-baovao ao anaty solosaina sy tambazotra ny filàna ara-pitaovana indrindra ny Open LMIS mba ho azo ampiharina eto Madagasikara.
Nahitana solontena enina avy ao amin’ny minisiteran’ny Faha-salamam-bahoaka, USAID, Impact, UCP ary Unicef ny delegasiona avy eto Madagasikara.
Ny fisian’ny angom-baovao matotra dia fomba iray mampisy ny fitohizan’ny vokatra ara-pahasalamana eo amin’ny vahoaka malagasy. Tanjona ny hahafahana mametraka ny tambajotra elektronika izay manome ara-potoana ireo antontan’isa sy ny isan’ny fitaovana ilaina ao anatin’ ny fotoana tena ilàna izany manerana an’i Madagasikara. Io no atao hoe Open LMIS.
Tatiana A