Tsy hira fotsiny… Fiainana manontolo no niarahan’ny tarika sy ny mpankafy azy. Fintina an-tsehatra ihany ny seho.
Fanamby goavana hafa indray no tontosa. Noporofoin’ny AmbondronA indray ny maha tarika anisan’ny be mpankafy azy ireo. Tanteraka ireo fanamby maro, nandritra ny «Ivony», omaly, tetsy amin’ny Coliseum. Ivon’ny fankalazana ny 25 taona, ary azo antoka fa seho goavana indirindra izany. «25 taona isika» ny lohahevitra, satria voamarina koa fa niara-nanoratra ny tantara tamin’ireo mpankafy azy ny tarika. Narindra ho tsiahy sy tamberina, ka lasa vavolombelon’ireo tantara niaraha-niaina, ireo hira rehetra nalahatra. Niverina kely tany amin’ ny fanombohana ny taona 2001, raha namoaka ny rakikira «Ilay tanàna». Efa tany dia niatrika «Ny ho avy» ry AmbondronA, fony hiaka-tsehatra voalohany tao Antsahamanitra. 25 taona aty aoriana, indreo manjohy hatrany ireo mpankafy, efa arahin-janaka. Porofo iray ny fitohizan’ny fankafizana, izay tsy maro ny tarika nanana azy, io.
Sarotra ho azy dimy mirahalahy ny nisafidy ireo hira nalahatra. Mbola ireo mpankafy hatrany no nanampy azy ireo tamin’izany. Ao ireo tsy azo ialana intsony rehefa misy seho. Maromaro kosa ireo hira «hadino» rehefa fampisehoana, no notsiahivin-dry Beranto indray, omaly. Mbetika mihetsika, indraindray milanto, fa tam-pitiavana avokoa izay niseho nandritra ny ora 4 mahery.
Ny fanamby goavana indrindra manaraka dia ny hitan’ny maso sy ny ren’ny sofina. Satria nikaroka hatrany ny lafatra ka tonga tamin’izay azo natolotra indrindra teo amin’ny kalitao. Nifarimbonan’ireo mpiantsehatra ny lafiny teknika maro, izay niara-nanoratra ny tantara tamin’ny tarika ihany koa izany. niara-niasa ny fanamafisam-peo matanjaka, ny kilalaon-jiro sy ravaka isan-karazany, ny efijery maro sy lehibe hatramin’ny afomanga… Tsy natao hikosehana ny tantara taloha, fa hitoetra ho fotoana mamy niarahana iny ho an’ny rehetra, mandra-piandry ny tolotra manaraka.
Zo ny Aina





