Niditra tamin’ny andro fahatelo, omaly, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasiakara, taranja volley-ball, sokajy D1 lahy sy vavy. Fihaonana tanterahina etsy amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano. Anisan’ny vokatra nisongadina teo amin’ny sokajy lehilahy ny nandresen’ny CVBF Farafangana ny Pôle GN, tamin’ny seta 3 no ho 1 (18/25; 25/20 ; 25/22 ; 25/19). Noheverin’ny rehetra fa tsy hahatohitra ny zandary ry zareo avy any Farafangana, saingy ny nifanohitra tamin’izany no nitranga. Ny zandary no nisantatra ny seta voalohany, saingy vetivety ihany dia voavadiky ny CVBF izany ka tsy nisy nisotroan’ny zandary rano mihitsy ireo seta telo farany. Faharesena faharoa ity ho an’ny Pôle GN raha fandresena voalohany kosa ho an-dry zareo avy any Farafangana. Ho an’ny lalao hafa indray, nahazo fandresena fanindroany ny ASI 1 Itaosy raha nifanehatra tamin’ny Akat’s Boeny. Lavon’izy ireo tamin’ny seta 3 no ho 0 (25/20; 25/13 ; 25/20) ry zalahy avy any Boeny. Nanatombo tamin’ny traikefa sy ny fahazarana lalao goavana ny ASI 1.
Tompondaka





