Vehivavy afrikanina mpanakanto manana ny maha izy azy maro no mifaninana
amin’ny “Afro Queens Music Awards”. Anisan’izany ny mpanankato Denise. Sokajy isan-karazany no hifaninanany amin’izany.
Tsy ho diso anjara fa manana ny solontenany i Madagasikara ao anatin’ilay “Afro Queens Music Awards”. Fifaninanana izay hatao amin’ny alalan’ny fandefasana ny sanganasa ampitain-davitra. Ahitana sokajy isan-karazany ao anatin’izany, ka mifaninana ao amin’ny sokajy “Best Female Artist East & Southern Africa”, ny Malagasy mpanakanto. Amin’ ny alalan’ny fifidianana no hamaritana izay ho mpandresy amin’ity fifaninanana ity, ka ny 14 novambra, any Houston Etazonia, ny fanolorana ny loka. Hifaninanany amin’izany ireo vehivavy afrikanina mpanakanto avy aty Afrika tapany atsinanana sy Afrika Atsimo. Mpihira afrikanina 6 izy ireo no miaraka ao amin’io sokajy io, ahitana mpihira roa avy any Afrika Atsimo, i Zee NXumalo sy i Thatohatsi, i Spice Diana, avy any Ouganda, i Nikita Kering avy any Kenya, i Nomina avy any Namibia ary i Denise avy eto Madagasikara. Manana hatramin’ny 30 novambra ny mpifidy hahafahana mamoaka ny anaran’ny mpandresy. Ao amin’ny tranokalan’ny “Afro Queens Music Award” no hanaovana ny fifidianana, ka manantena ny fanohanan’ny vahoaka malagasy ny mpanakanto Denise. Raha ny vokatra vonjimaika aloha, hatramin’ny omaly, mbola eo amin’ ny laharana fahefatra no misy ity solontena malagasy ity.
Laharana faha-5, hatreto, i Agrad
Etsy ankilany, anisan’ny voatsonga hofidiana amin’ny fifaninanana “Afro Golden Hip Hop Awards” ihany koa ny Malagasy mpanao Rap, i Agrad. Ao amin’ny sokajy “Best Rapper East & Southern Africa” no misy azy. Eo amin’ny laharana fahadimy, hatreto, no misy ity mpanakanto malagasy ity. 8 izy ireo no mifaninana ao amin’ ity sokajy ity, ahitana an’i Cassper, i Nasty C ary i A-Reece avy ao Afrika Atsimo, i Khaligraph Jones sy i Toxic Lyrikali avy any Tanzania, i Chef 187 avy any Zambia ary i Agrad avy eto Madagasikara. Mbola mitohy hatramin’ny 14 novambra ny fahafahana mifidy ary ny 21 novambra kosa no hanaovana ny lanonana fanolorana ny amboara ho an’ny mpandresy, any Houston, Etazonia.
Mi.Raz





