Nolanian’ny Antenimierampirenena, Tsimbazaza, omaly, ireo volavalon-dalàna enina mahakasika ny fiainam-bahoaka. Anisan’izany, ohatra, ny lah. 018/2026 ny 2 jona 2026 fankatoavana ny Fifanarahana fampisamboram-bola momba ny famatsiam-bola ny Tetikasa fanitarana ny lemak’i Mangoky Ambany dingana faharoa (PEPBM II) ary ny Fanamorana ny fanohanana ny Tetezamita (FAT) ny 6 mey 2026. Hanatsarana ny fambolena sy hanamafisana ny fahazoan’ny mponina hiatrika ny olana sosialy sy toekarena any amin’ireo faritra marefo ao Atsimo Andrefana io tetikasa io. Eo koa ny lah. 026/2026 ny 10 jona 2026 fankatoavana ny Fifanarahana fampindramam-bola momba ny famatsiam-bola ny Tetikasa fanovana ny fahazoana angovo madio sy maharitra (Ascent) Madagasikara, voasonia ny 8 mey 2026 teo
amin’i Madagasikara sy ny Banky iraisam-pirenena. Hanatrarana ny famatsiana herinaratra ho an’ny olona 300 tapitrisa eto Afrika hatramin’ny taona 2030 ny tetikasa.
Manaraka, ny lah. 029/ 2026 ny 10 jona 2026 mankatoa ny Fifanarahana fampindramam-bola momba ny famatsiam-bola fanampiny ho an’ny dingana faharoa amin’ny Tetikasa fanatsarana ny fahasalamana sy sakafo (PARN II). Ny lah. 030/26 ny 10 jona 2026 manome alalana ny fankatoavana ny Fifanarahana fampindrambola momba ny famatsiambola ny Tetikasa fampandrosoana marolafy ny tanàn-dehibe ho fanohanana ny famoronana asa (Produire).
Ny lah. 036/2026 ny 17 jona 2026 manome alalana ny fankatoavana ny Fifanarahana fampindramam-bola momba ny famatsiam-bola ho an’ny Tetikasa Fanohanana ny Fitsarana eto Madagasikara (Pajma II), nifanaovan’ny Repoblikan’i Madagasikara sy ny Vondron’ny Sampandraharaha Frantsay misahana ny Fampandrosoana (AFD), nosoniavina ny 19 jona 2026, sns.
R. Nd.





