Mikarakara hetsika ara-pahasalamana maro ny Lion’s Club Antananarivo Santatra New Century sy ny Leo Club Antananarivo Mitantsoa, miaraka amin’ny SR event sy ny groupe Infinity. Ny sabotsy sy ny alahady no hanatanterahana izany, eny amin’ny Parvis Analakely. “Tsy voafetra ny olona andrasana fa ho voaray daholo ireo tonga manatona mandritra ny roa andro, eny an-toerana”, hoy ny filohan’ny Lions Club Santatra, Ramaroson Hoby Heriniaina. Hisy ny vaksiny maimaimpoana hiarovana amin’ny valanaretina Mpox, ny fitiliana diabeta, ny fizahana fahasalamana amin’ny ankapobeny, ny fitiliana ny homamiadan’ny nono sy ny vozon’ny tranon-jaza. Eo koa ny fizahana maso, fisafoana, fanabeazana aizana ary fitsaboana nify eny an-toerana. Nozaraina vondrona efatra ny tranoheva handray ireo tolotra: fitiliana sy fiarovana, farmasia …
Betsaka ny olona marefo tsy afaka misitraka fitsaboana eny amin’ny tobim-pahasalamana ka nanapa-kevitra ny mpikarakara hanatona ny vahoaka. Ireo tena sahirana no laharam-pahamehana amin’
izany.
Ho an’ny fitsaboana maso, raha voatily fa misy katarakta ilay olona, entanina izy hanatona ny Lions Sight First Madagascar ao amin’ny HJRA. 400 000 Ar ny fandidiana ka ny 100 000 Ar ihany no efain’ny marary fa hofenoin’ny LSFM ny ambiny. Misy mpiray ombon’antoka maro koa hanome tolotra toy izany ao amin’ny Parvis.
Vonjy





