Nanomboka omaly, teny amin’ny Kianja mitafo Vontovorona, ny fiadiana ny « IHF Trophy », taranja handball, sokajy «sénior », vehivavy ho an’ny faritra faha-7. Firenena dimy no hiady izay ho lohany amin’izany. I Madagasikara mpampiantrano, La Réunion, Mayotte, Seychelles ary i Comores. Haharitra hatramin’ny alahady 4 oktobra izany fihaonana izany.
Nitohy tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, omaly, ny andro fahadimy amin’ny fifaninanam-pirenena taranja basikety, sokajy N1A lahy sy vavy. Ho an’ny vehivavy, resin’ny MB2 All tamin’ny isa 89 no ho 37 ny Ascut ary ny JEA Vakinankaratra nanilika ny Dunamis, 50 no ho 48. Teo amin’ny lehilahy, nomontsanin’ny GNBC tamin’ny isa mazava, 70 no ho 51 ny ASSM.
Nanatanteraka lalao ara-pirahalahiana tany La Réunion, omaly, ny Malagasy mpilalao, izay nahitana an-dry Sedera, Bapasy, Berajo, Baggio, Zotsara, Mamy Gervais sy ireo Malagasy izay milaravinahitra atsy amin’ity Nosy rahavavy ity. Nifanandrina tamin’ny ekipam-pirenen’i La Réunion izy ireo. Raha ny fantatra, natao hanomanana sahady ny lalaon’ny Nosy 2027 izany.





