Nifarana ny alatsinainy lasa teo, tany Samarcande, Ouzbekistan, ny andiany faha-46 amin’ny Olympiades eo amin’ny lalaon-tsaina Echec. Tsy nitsanga-menatra ny ekipam-pirenena malagasy niatrika izany, satria tafiditra ao anaty “Top 100” ny tarika niarahan’ny lahy sy vavy. Teo amin’ny laharana faha-87 tamin’ireo firenena 150 nandray anjara izy ireo. Tsiahivina fa nifaninana tao anaty sokajy “C” ny Malagasy. Nahazo fandresena miisa 6 sy faharesena 5, tao anatin’ireo “round” 11 nifaninanana izy ireo. Nandrombaka ny fandresena teo amin’ity sokajy ity i Ouzbekistan, mpampiantrano, izay nahazo fandresena 10 sy faharesena 1. Faharoa i Inde, fandresena 8, ady sahala 2 ary faharesena 1. Namarana ny fiakarana lapihazo i Allemagne, fandresena 9 sy faharesena 2.
Ratsy kosa ny vokatra teo amin’ny sokajy vehivavy satria tany amin’ny laharana faha-108 no nisy ny Malagasy. Nahazo fandresena 5 sy faharesena 5 ary ady sahala 1 izy ireo. Voalohany tamin’ity sokajy ity i Chine, nahazo fandresena 9 ary ady sahala 2. Nanaraka azy i Kazakhstan, impito nandresy raha ady sahala inefatra. Fahatelo, ry zareo Indianina no nahazo fandresena fito, ady sahala 3 ary faharesena 1. Teo amin’ny filaharan’ny mpilalao mendrika indray, faha-134 i Norotiana Fararindra, nahazo fandresena 4,5 ary faha-135 i Diary Anjomara nandresy indimy. Tsy tafiditra kosa ny Malagasy teo amin’ny isan-tarika.
Tompondaka





