Nankalazaina omaly, teny amin’ny Lapan’Andafiavaratra, ny “EK PED MAA KE NAAM, niarahana tamin’ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera sy ny masoivohon’i Inde.
Fambolena ravinala iray sy «palmier” iray no nanamarihina ny hetsika “EK PED MAA KE NAAM”. Ity hetsika ity izay manome lanja manokana ny reny loharano nipoirana sy ny natiora amin’ny maha mpiantoka ny fahaveloman’ny zavaboary azy. Omaly, teny amin’ny Lapan’Andafiavaratra no nanaovana izany fanamarihana izany. tsy fahita afa-tsy eto Madagasikara ny ravinala raha mampiavaka ny faritry ny ranomasimbe Indianina kosa ny “palmier”. Izany no antony nisafidianana ireo karazan-javamaniry novolena ireo. Niara-nanatanteraka ny hetsika ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina sy ny masoivohon’i India eto Madagasikara. Ankoatra izay, natao hanamafisana ny fifamatorana ara-tantara sy ny fiaraha-miasa eo amin’i India sy Madagasikara koa ny fotoana tahaka ity androany ity izay mikendry ny hametrahana planeta maitso sy salama kokoa ho an’ny taranaka. Manamarika ny fanandratana ny vakoka malagasy izao hetsika izao ary natao hanomezan-danja, aina miavaka sy ny vakoka voajanahary tsy manam-paharoa mampiavaka an’i Madagasikara, araka ny nambaran’ny minisitera tonga nanome voninahitra ny hetsika. Fambolena Zavamaniry avokoa no nanamarihina ity andron’ny “EK PED MAA KE NAAM” ity, tany amin’ny sehatra sy firenena hafa.
Mi. Raz





