Literatiora : Mizara ny traikefany i Alexandre Lenote

Mpanoratra teratany frantsay i Alexandre Lenote. Naha­zo ny loka « 5 Prix des 5 continents  de la Francophonie » andiany faha-25 izy, tamin’ny alalan’ilay boky « Cette vielle chanson ». Loka omen’ny Organisation internationale de la francophonie na OIF izy ity, natao indrindra hanasongadinana ny asa soratra amin’ny teny frantsay sy ny frankofonia amin’ny ankapobeny. Mandalo eto Madagasikara amin’izao fotoana ity mpanoratra ity, hizara ny traikefany amin’ireo mpianatra sy mpampianatra ary ireo Malagasy mpanoratra. Efa natombony tamin’ny « masterclass » tao amin’ny IFM izany, omaly. « Fizarana sady fanaporofoana fa tontolo mivelatra sy mifandray ny literatiora no ataoko », hoy ny nambaran’i Alexandre Lenot. « Vonina­hi­tra lehibe ho an’i Madaga­sikara ny mandray izao. Enga anie hisy akony ho an’ny mpamaky boky, mpanoratra ary ny rafitra samihafa mampiaina ny boky izany », hoy kosa ny minisitry ny Kolontsaina sy ny serasera, Mandrindrarivony O’gascar Fenosoa.

Zo ny Aina

Partager sur: