SOMBIM-BAOVAO

Notontosaina omaly, tao amin’ny Kianja Maître Kira Andaboly, ny fanaovam-beloma farany an’ilay
kintan’ny baolina kitra malagasy, Kira Michel. Ity kianja ity, izay mitondra ny anarany nanomboka ny taona 1997, ho fahatsiarovana ny zava-bitany tao anatin’ny fanatanjahantena. Tonga nanotrona sy naneho firaisam-po tamin’ny fianakaviany ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Rasambany Alain Désiré.

Notontosaina nanomboka ny 30 septambra lasa teo, eny amin’ny Kianja mitafo Vontovorona, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika aty amin’ny faritra fahafito « IHF Trophy », sokajy vehivavy, taranja handball. Nahita fahombiazana avy hatrany ny ekipa nasionaly malagasy izay nandavoa n’i Seychelles
tamin’ny isa 30 no ho 10. Hifarana ny 4 oktobra ho avy izao ity fifanintsanana ity.

Nalaza tao anaty tambajotran-tserasera fa mifarana hatreho ny fotoam-pilalaovan’i Cristiano Ronaldo ao amin’ny ekipam-pirenena Portugal. Anisan’ ny antony ny tsy naneken’ity kalaza portiogey ity hilalao amin’ny ekipa nasionaly intsony. Ny tsy nampidirana
azy nandritra ny lalaon’i Portugal sy Norvége. Andro iray taorian’io, nandao ny fampivondronan’i Portugal ny lehilahy.

Partager sur: